Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2221 Adidin’ny ray aman-dreny Tsy mifintina fotsiny amin’ny fiterahan-janaka ny fahavokaram-pifankatiavan’ny mpivady, fa tsy maintsy miitatra amin’ny fanabeazana azy ireo ara-môraly sy amin’ny famolavolana azy ireo ara-panahy. “Zava-dehibe tokoa ny anjara asan’ny ray aman-dreny amin’ny fanabeazana …
  2. 2222 Adidin’ny ray aman-dreny Tsy maintsy mihevitra ny zanany ho zanak’Andriamanitra sy manaja azy ireo amin’ny maha-olona azy ireo ny ray aman-dreny. Manabe ny zanany hanatanteraka ny Lalànan’Andriamanitra ny ray aman-dreny, amin’ny fisehoan’ny tenan’izy ireo mankato …
  3. 2223 Adidin’ny ray aman-dreny Ny ray aman-dreny no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanabeazana ny zanany. Mampiseho izany fiandraiketana izany aloha izy ireo amin’ny fanorenana tokantrano , izay ny fanehoam-pitiavana, ny famelan-keloka, ny fanajana, ny tsy fivadihana ary …
  4. 2224 Adidin’ny ray aman-dreny Ny tokantrano no anisan’ny toerana voa-Janahary anoroan-dalana ny olona ho amin’ny firaisan-kina sy ny fandraisana andraikitra iombonana. Hampianarin’ny ray aman-dreny ny zanany ny hitandrin-tena tsy hanala baraka sy tsy hikororosy fahana, izay …
  5. 2225 Adidin’ny ray aman-dreny Tamin’ny fahasoavan’ny sakramentan’ny fanambadiana no nandraisan’ny ray aman-dreny ny fiandraiketana mbamin’ny tombon-tsoa manokana hitory ny Evanjely amin’ny zanak’izy ireo . Ho ampianarin’izy ireo ny misterin’ny finoana ny zanak’izy ireo, dieny mbola kely, …
  6. 2226 Adidin’ny ray aman-dreny Ny fanabeazana amin’ny finoana ataon’ny ray aman-dreny amin’ny zanany, dia tokony hatomboka hatramin’izy mbola zaza menavava. Efa omena sahady izany, raha ny mpianakavy rehetra no mifanampy hitombo amin’ny finoana amin’ny alalan’ny fijoroana …
  7. 2227 Adidin’ny ray aman-dreny Manana anjara koa ny zanaka hanampy ny ray aman-dreniny hitombo fahamasinana [20] . Hifanaraka amin-kahalalam-po ny rehetra sy ny tsirairay ary tsy ho sasatry ny hifamela heloka, izay ilaina amin’ny fahadisoana, ny …
  8. 2228 Adidin’ny ray aman-dreny Mandritra ny fahazazana, ny fanajana sy ny fankamamian’ny ray aman-dreny no miseho aloha amin’ny fikarakarana sy ny fitandremana izay atokan’izy ireo itaizana ny zanany, iahiana ny filan’izy ireny ara-batana sy ara-panahy . …
  9. 2229 Adidin’ny ray aman-dreny Noho ireo ray aman-dreny tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanabeazana ny zanany, dia manana zo izy ireo hisafidy ho an-janany ny sekoly izay mifanaraka amin’ny finoana arahin’izy ireo. Zo fototra izany. Manana adidy ny …
  10. 2230 Adidin’ny ray aman-dreny Ny zanaka, rahefa tonga olon-dehibe, dia manana adidy sy zo hisafidy ny asa ivelomany sy ny lalam-piainana arahiny . Hiantsoroka izany andraikitra vaovao izany izy ao anatin’ny fifandraisana feno fitokiana amin’ny ray …
  11. 2231 Adidin’ny ray aman-dreny Misy ireo zanaka tsy manambady mba hikarakara ny ray aman-dreniny, na ny iray tam-po aminy, mba hilozoka manokana amin’ny asa na noho ny antony hafa maha-te-hidera. Afaka manampy be tokoa amin’ny soa …
  12. 2232 IV. Ny fianakaviana sy ny Fanjakan’Andriamanitra Ny fifamatoran’ny mpianakavy, na manao ahoana na manao ahoana ny havesa-danjany, dia tsy ambonin’ny zava-drehetra tanteraka. Arakaraka ny fitomboam-pahamatoran’ny zanaka sy ny fahazakan-tenany amin’ny maha-izy azy sy amin’ny ara-panahy, no mihamazava sy …
  13. 2233 IV. Ny fianakaviana sy ny Fanjakan’Andriamanitra Ny manjary mpianatr’i Jesoa, dia ny manaiky ny fiantsoana ho anisan’ny fianakavian’Andriamanitra , ny miaina araka ny fombam-piainany : “Na zovy na zovy hanao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra, dia izy …
  14. 2234 V. Ny fahefana mifehy eo amin’ny fiaraha-monin’ny olom-pirenena Mandidy antsika koa ny didy fahefatra avy amin’Andriamanitra hanaja izay rehetra nandray tamin’Andriamanitra, mba hanasoa antsika, ny fahefana mifehy ny vahoaka. Hazavain’ny didy fahefatra avokoa na ny ny adidin’izay mampiasa ny fahefana, …
  15. 2235 Adidin’ireo mpitondra eo amin’ny firenena Adidin’izay rehetra nomena fahefana ny mampiasa izany ho amin’ny fanompoana. “Izay te ho lehibe aminareo, no aoka ho mpanomponareo” (Mt 20,26). Ny fampiasana fahefana iray dia ampifandanjana ara-pitsipi-pitondran-tena amin’ny maha-avy amin’Andriamanitra azy, …
  16. 2236 Adidin’ireo mpitondra eo amin’ny firenena Ny kendrena amin’ny fampiasana fahefana dia ny hampiharihary ireo ambaratongan-tsoatoavina marina, mba hanamora ny fampiasan’ny rehetra ny fahafahany sy ny andraikiny. Anjaran’ireo mpifehy ny mampiasa ny fahamarinana ara-pizaràna amim-pahendrena, ka hihevitra ny …
  17. 2237 Adidin’ireo mpitondra eo amin’ny firenena Ny fahefam-pitondram-panjakana dia tsy maintsy manaja ny zo fototra maha-olona ny olona. Ho ampanjakain’izy ireo amin’ny fo tsara ny fahamarinana ao anatin’ny fanajana ny zon’ny tsirairay, indrindra ny fianakaviana sy ireo atao …
  18. 2238 Adidin’ny olom-pirenena Ny olona eo ambany fahefana dia hihevitra ny lehiben’izy ireo ho solontenan’Andriamanitra izay natsangany ho mpandraharahan’ny fanomezany [25] : “Noho ny Tompo, aoka ianareo hanaiky ny lehibe rehetra natsangan’ny olona. (…) Mijoroa …
  19. 2239 Adidin’ny olom-pirenena Ny adidin’ny olom-pirenena dia ny mandray anjara miaraka amin’ny mpitondra fanjakana, amin’ny fanasoavana ny mpiara-belona, amin’ny toe-tsaina mandala ny marina, ny rariny, ny firaisan-kina ary ny fahafahana. Ny fitiavana sy ny fanompoana …
  20. 2240 Adidin’ny olom-pirenena Ny manaiky ny manam-pahefana sy ny miara-miandraikitra ny soa iombonana dia mitaky ara-pitsipi-pitondran-tena handoa hetra, hampiasa ny zo handatsa-bato amin’ny fifidianana, hiaro ny tanindrazana : Efao amin’ny olona rehetra izay tokony hefaina …