Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2641 V. Ny vavaka fiderana “Salamo sy hira aman-tonon-kira masina no ifampiresaho ; ihirao sy ankalazao amin’ny fonareo manontolo ny Tompo” (Efez 5,19) [128] . Tahaka ireo mpanoratry ny Testamenta Vaovao notsilovin’Andriamanitra, mamerina mamaky ny bokin-tSalamo ny …
  2. 2642 V. Ny vavaka fiderana Ny Fanambaràna “avy amin’izay tsy maintsy ho tonga ato ho ato”, ny Apôkalipsa, dia aseho amin’ny tonon-kiran’ny litorzian’ny lanitra [131] , nefa koa amin’ny alalan’ny fitalahoan’ireo “vavolombelona” (martiry) [132] . Ny mpaminany …
  3. 2643 V. Ny vavaka fiderana Ny Eokaristia no mirakitra sy maneho ny endrika rehetra amin’ny vavaka : izy no “fanatitra madio tsy misy fahony ” ny Vatan’i Kristy manontolo ho voninahitry ny anarany [136] ; izy no …
  4. 2644 V. Ny vavaka fiderana Ny Fanahy Masina, izay mampianatra ny Fiangonana sy mampahatsiahy azy izay rehetra nolazain’i Jesoa, dia manabe azy koa amin’ny fiainam-bavaka, amin’ny famoahana fomba fiteny izay mihavao eo anivon’ny fomba fanao maharitra : …
  5. 2645 V. Ny vavaka fiderana Satria Andriamanitra no mitsodrano ny fon’ny olombelona, dia afaka misaotra Azy izay loharanon’ny tsodrano rehetra koa ny fon’ny olombelona.
  6. 2646 V. Ny vavaka fiderana Ny fototry ny vavaka fangatahana dia ny famelan-keloka sy ny fikatsahana ny Fanjakan’Andriamanitra, tahaka izany koa izay rehetra tena ilaina.
  7. 2647 V. Ny vavaka fiderana Ny vavaka fitalahoana dia miompana amin’ny fangatahana ny soa ho an’ny hafa. Tsy misy fetrany manasaraka izany ary mipaka hatrany amin’ireo fahavalo.
  8. 2648 V. Ny vavaka fiderana Ny hafaliana rehetra mbamin’ny fijaliana rehetra, ny zava-miseho rehetra mbamin’ny zavatra rehetra ilaina, dia azo anaovana fisaorana avokoa izay tokony hanenika ny fiainana manontolo, amin’ny fandraisana anjara amin’ ny fisaoran’i Kristy. “ …
  9. 2649 V. Ny vavaka fiderana Ny vavaka fiderana, tsy ikendrena tombon-tsoa ho an’ny tena avokoa, fa miantefa amin’Andriamanitra ; ihiràna Azy izany mba ho Azy, anomezana voninahitra Azy izany, mihoatra noho izay ataony, satria IZY NO IZY.
  10. 2650 Ny lovam-panahy momba ny fivavahana Ny vavaka dia tsy azo fintinina amin’ny fiboiboika mipoitra ho azy avy amin’ny tosi-kerim-pamporisika ao anaty : mba hivavaka, ilaina ny finiavana hanao izany. Tsy ampy fotsiny koa ny mahalala izay ambaran’ny …
  11. 2651 Ny lovam-panahy momba ny fivavahana Ny lovam-panahy momba ny fivavahana kristianina dia iray amin’ireo endriky ny fitomboan’ny Lovam-pampianaram-pinoana, indrindra amin’ny alalan’ny fibanjinana sy ny fianaran’ny mpino izay mitahiry ao am-pon’izy ireo ny zava-miseho sy ny tenin’ny fitantanam-pamonjena, …
  12. 2652 Ny loharanon’ny fivavahana Ny Fanahy Masina no “ilay rano velona” izay miboiboika hatrany amin’ ny Fiainana mandrakizay [3] , ao anatin’ny fo mivavaka. Izy no mampianatra antsika handray Izany ao amin’ny Tenan’ilay Loharano, dia i …
  13. 2653 Ny Tenin’Andriamanitra Ny Fiangonana dia “mamporisika mafy sy amin’ny fomba manokana ny kristianina rehetra (....) hanovo “fahalalana ambony dia ambony momba an’i Jesoa-Kristy”, amin’ny alalan’ny famakiana matetika ny Soratra masina. (...) Kanefa ny vavaka …
  14. 2654 Ny Tenin’Andriamanitra Ireo Ray am-panahy, amin’ny fivoasana ny Mt 7,7, dia mamintina toy izao ny fahavononan’ny fo velomin’ny Tenin’Andriamanitra rahefa mivavaka : “Mitadiava ianareo eo am-pamakian-teny, fa hahita ianareo eo am-pandinihana ; dondòny eo …
  15. 2655 Ny litorzian’ny Fiangonana Ny fanirahana an’i Kristy sy ny Fanahy Masina, izay mitory, mampihatra amin’ny fiainana ankehitriny ary mampita ny misterim-pamonjena ao amin’ ny litorzia ara-tsakramentan’ny Fiangonana, dia mitohy ao am-pon’izay mivavaka. Indraindray ampitovian’ny Ray …
  16. 2656 Ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra Toy ny idirana ao amin’ny litorzia no idirana ao amin’ny fivavahana : amin’ny varavarana ety ny finoana . Amin’ny alalan’ireo famantarana ny maha-Eo ny Tompo, dia ny Endriny no tadiavintsika sy irìntsika, …
  17. 2657 Ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra Ny Fanahy Masina, izay mampianatra antsika hankalaza ny litorzia eo am-piandrasana ny fiverenan’i Kristy, no manabe antsika hivavaka ao anatin’ny fanantenana . Raha avadika ny filaza azy, ny vavaky ny Fiangonana sy …
  18. 2658 Ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra “Ny fanantenana tsy manodoka, satria efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavan’Andriamanitra ” (Rôm 5,5). Ny fivavahana, novolavolain’ny fiainana litorzika dia manovo manontolo ao amin’ny Fitiavana izay itiavana …
  19. 2659 “Anio” Mianatra mivavaka isika amin’ny fotoana sasany amin’ny fihainoana ny Tenin’ny Tompo sy amin’ny fandraisana anjara amin’ny misterin’ny Pakany, nefa amin’ny fotoana rehetra kosa, amin’ny zava-miseho isan’andro , no anolorany amintsika ny Fanahiny …
  20. 2660 “Anio” Ny mivavaka araka ny zava-miseho isan’andro sy isan’ora no anisan’ny iray amin’ireo tsiambaratelon’ny Fanjakan’Andriamanitra ambara amin’ireo “madinika indrindra”, amin’ireo mpanompon’i Kristy, amin’ireo mahantra voalazan’ny hasambarana. Mendrika sy rariny ny mivavaka, mba ny …