Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
1701
Ny olombelona endrik’Andriamanitra
“I Kristy, amin’ny fanambaràna ny misterin’ny Ray sy ny Fitiavany, dia mampiseho miharihary ny olombelona amin’ny tenan’ny olombelona ihany sy mampahafantatra mazava aminy ny fahambonian’ny fiantsoana azy” [18] . Ao amin’i Kristy, …
→
-
1702
Ny olombelona endrik’Andriamanitra
Hita ao amin’ny olona tsirairay ny endrik’Andriamanitra. Mamirapiratra ao amin’ny fiombonan’ny olona izany, amin’ny fifanahafana amin’ny firaisan’ireo Olona-Andriamanitra amin’izy samy izy (jer. toko faharoa).
→
-
1703
Ny olombelona endrik’Andriamanitra
Ny olombelona, noho izy nomena fanahy “maha-olona sy tsy mety maty” [21] , no “hany voary eto ambonin’ny tany izay sitrak’Andriamanitra ho olombelona mihitsy” [22] . Vao notorontoronina izy, dia natokana ho …
→
-
1704
Ny olombelona endrik’Andriamanitra
Mandray anjara amin’ny fahazavana sy amin’ny herin’ny Fanahin’ Andriamanitra ny olombelona. Amin’ny alalan’ny saina, afaka mahatakatra ny filaminan’ny zavatra naorìn’ny Mpahary izy. Amin’ny alalan’ny sitrapony, afaka mitondra ny tenany ihany mankamin’ny tena …
→
-
1705
Ny olombelona endrik’Andriamanitra
Ny olombelona, noho ny herin’ny fanahiny sy ny herin’ny sainy mahiratra ary ny herin’ny sitrapony, dia nomena fahafahana, izay “famantarana manokana ny maha-endrik’Andriamanitra azy” [24] .
→
-
1706
Ny olombelona endrik’Andriamanitra
Ny olombelona, amin’ny alalan’ny sainy, dia mahalala ny feon’ Andriamanitra izay manery azy “hanao ny tsara sy handositra ny ratsy” [25] . Voatery ny tsirairay hanaraka io lalàna io izay manako ao …
→
-
1707
Ny olombelona endrik’Andriamanitra
“Ny olombelona, noho izy voasodokan’ilay Ratsy, hatrany am-piandohan’ny tantara, dia nanararaotra ny fahafahany” [26] . Resin’ny fakam-panahy izy ka nanao ratsy. Voatahiriny ny faniriana ny tsara, nefa ny fomba aman-toetrany dia mitondra …
→
-
1708
Ny olombelona endrik’Andriamanitra
Tamin’ny alalan’ny fijaliany i Kristy no nanafaka antsika tamin’i Satàna sy ny fahotana. Nanao antsika ho mendrika ahazo ny fiainam-baovao ao amin’ny Fanahy Masina Izy. Ny fahasoavany no manavao an’izay nosimbain’ny fahotana …
→
-
1709
Ny olombelona endrik’Andriamanitra
Ilay izay mino an’i Kristy dia tonga zanak’Andriamanitra. Io fananganan-janaka io no manova azy amin’ny fanarahany ny oha-piainan’i Kristy. Io no mahatonga azy ho afaka miasa amim-pahamarinana sy hanatanteraka ny tsara. Amin’ny …
→
-
1710
Ny olombelona endrik’Andriamanitra
“ Amin’ny tenan’ny olombelona ihany no ampisehoan’i Kristy miharihary ny olombelona, sy ampahafantarany mazava ny fahambonian’ny fiantsoana azy ” [28] .
→
-
1711
Ny olombelona endrik’Andriamanitra
.Ny olombelona, noho izy nomena fanahy maha-olona, saina ary sitrapo, dia voalahatra ho an’Andriamanitra hatramin’ny niforonany tao am-bohoka ary voatendry ho amin’ny hasambarana mandrakizay. Manohy ny fahalavorariany izy amin’ny “ fikatsahana sy …
→
-
1712
Ny olombelona endrik’Andriamanitra
Ny fahafahana tena izy no “ famantarana manokana ny fitoviana endrika amin’Andriamanitra ” [30] ao amin’ny olombelona.
→
-
1713
Ny olombelona endrik’Andriamanitra
Voadidy ny olombelona hanaraka ny lalàna môraly izay manery azy “ hanatanteraka ny tsara sy handositra ny ratsy ” [31] . Manako ao amin’ny kônsiansiny io lalàna io.
→
-
1714
Ny olombelona endrik’Andriamanitra
Ny olombelona, noho ny fomba aman-toetrany voaratran’ny fahotana tamin’ny fototra, dia mora andairan’ny fahadisoana sy mirona amin’ny ratsy amin’ny fampiasana ny fahafahany.
→
-
1715
Ny olombelona endrik’Andriamanitra
Ilay izay mino an’i Kristy no manana ny fiainam-baovao ao amin’ny Fanahy Masina. Ny fiainana ara-môraly, mitombo sy mihamatotra amin’ny fahasoavana, dia tsy maintsy ho tomombana any amin’ny voninahitry ny lanitra.
→
-
1716
I. Ny hasambarana
Ny hasambarana no foiben’ny fitorian-tenin’i Jesoa. Ny fanambaràny an’ ireny dia mamerina ny fampanantenana natao tamin’ny vahoaka voafidy nanomboka tamin’i Abrahama. Izany fanambaràny izany no manatanteraka ireo fampanantenana amin’ny fandaminana azy ireo …
→
-
1717
I. Ny hasambarana
Ireo hasambarana ireo no manoritra ny endrik’i Jesoa-Kristy sy mamelabelatra amin’izany ny fitiavana ; ireo no manambara ny fiantsoan’ Andriamanitra ny mpino voakambana amin’ny voninahitry ny fijaliany sy ny Fitsanganany ho velona …
→
-
1718
II. Ny faniriana ho sambatra
Ny hasambarana notorìn’i Jesoa no mamaly amin’ny faniriana voa-Janahary ho sambatra. Avy amin’Andriamanitra izany faniriana izany ; napetrak’Andriamanitra tao am-pon’ny olombelona izany, mba hanintona azy ho Aminy ilay hany afaka mahampoka azy …
→
-
1719
II. Ny faniriana ho sambatra
Ny hasambarana no mampiseho mazava ny zava-kendrena amin’ny fisian’ny olombelona sy ny tanjom-piafaràn’ny asany : Miantso antsika amin’ny hasambarany manokana Andriamanitra. Miantefa amin’ny olona tsirairay izany antso izany, nefa amin’ny fitambaran’ny Fiangonana …
→
-
1720
III. Ny hasambarana kristianina
Mampiasa fiteny maro ny Testamenta Vaovao, mba hamaritana mazava ny hasambarana izay iantsoan’Andriamanitra ny olombelona : ny faha-tongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra [35] ; ny fahitana an’Andriamanitra : “Sambatra ireo madio fo, fa hahita an’Andriamanitra …
→