Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2506 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina “ Tsy menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo ” (2 Tim 1,8) amin’ny asa sy amin’ny teny, ny kristianina. Ny maty martiry no fara tampon’ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny fahamarinan’ny finoana.
  2. 2507 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina Ny fanajana ny laza amam-boninahitr’olona dia mandrara ny fihetsika rehetra atao na ny fiteny rehetra manaratsy na manendrikendrika.
  3. 2508 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina Ny hoe lainga dia filazana zavatra tsy marina kendrena hamitahana ny namana.
  4. 2509 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina Mitaky fanonerana, ny fahadisoana natao manohitra ny marina.
  5. 2510 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina Ny fitsipika volamena no manampy amin’ny fahaiza-mandanjalanja, eo amin’ny fisehoana toe-javatra lehibe, na mety na tsia ny manambara ny marina amin’izay mangataka izany.
  6. 2511 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina “Tsy azo avoaka ny tsiambaratelo ara-tsakramenta” [103] . Tsy maintsy tanana ny tsiambaratelon’asa. Tsy azo aely eny imasom-bahoaka ny tsiambaratelo mety hanimba ny hafa.
  7. 2512 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina . Zon’ny mpiara-belona ny hahazo vaovao miorina amin’ny fahamarinana, ny fahafahana ary ny rariny sy ny hitsiny. Tsara ny mampisy fahalalam- petra sy fitsipi-pifehezana amin’ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisan’ ny mpiara-belona.
  8. 2513 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina Ny haikanto, fa indrindra ny zavakanto masina, “ dia mikendry, amin’ny maha-zavakanto azy, ny hampiseho araka izay azo atao ao amin’ireo tsanganasan’olombelona, ny hatsarana tsy misy fetran’Andriamanitra, ary natao indrindra ireny mba …
  9. 2514 Ny didy fahasivy Avahan’i Md Joany ho karazany telo ny fitsiriritana na fanirian-dratsy : ny fitsiriritan’ny nofo, ny fitsiriritan’ny maso ary ny fiavonavonana eo amin’ny fiainana [105] . Araka ny lovam-pampianarana ara-katesezy katôlika, dia raràn’ny …
  10. 2515 Ny didy fahasivy Ny hoe “fanirian-dratsy”, araka ny dikan’ny fakan-teny nipoirany, dia azo anondroana ny endrika rehetra mirehidrehitry ny fanirian’ olombelona. Ny teôlôjia kristianina dia nanome hevitra manokana izany amin’ny fihetsiky ny fahalianan’ny nofo, izay …
  11. 2516 Ny didy fahasivy Noho ny olombelona voary natambatra ho fanahy sy vatana , dia efa misy fifanoherana ihany ao aminy, efa miseho ihany ny tolon’ny fironana eo amin’ny “fanahy” sy ny “nofo”. Ny tena marina, …
  12. 2517 I. Ny fandiovana ny fo Ny fo no foiben’ny toetran’ny tsirairay ara-môraly : “Avy amin’ny fo no iavian’ny hevi-dratsy, ny famonoan’olona, ny fakam-badin’olona sy ny fijangajangana” (Mt 15,19). Mandalo amin’ny alalan’ny fandiovana ny fo sy ny fahaizana …
  13. 2518 I. Ny fandiovana ny fo Ny hasambarana fahenina dia manao antso avo hoe : “Sambatra ireo madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy ireo” (Mt 5,8). Ny hoe “madio fo” dia enti-manondro ireo izay nampifanaraka ny sain’izy ireo …
  14. 2519 I. Ny fandiovana ny fo Nampanantenaina an’ireo “madio fo” ny hahita an’Andriamanitra mifanatri-tava sy ny hifanahaka Aminy [115] . Ny fahadiovan’ny fo no mialoha ny fahitana. Manomboka ankehitriny, izany no ahafahantsika mahita araka an’Andriamanitra sy mandray ny …
  15. 2520 II. Ny ady ho amin’ny fahadiovana Ny Batemy no manome an’izay mandray azy ny fahasoavana enti-manadio ny fahotana rehetra. Kanefa tsy maintsy manohy miady amin’ny fanirian-dratsin’ny nofo sy ny fitsiriritan-dratsy ilay vita batemy. Ombàn’ ny fahasoavan’Andriamanitra, tonga amin’izany …
  16. 2521 II. Ny ady ho amin’ny fahadiovana Mitaky fahalalana menatra ny fahadiovana. Ampahany tsy azo esorina amin’ny fahalalana onony ny fahalalana menatra. Miaro ny fiainan’ny olona manokana ny fahalalana menatra. Enti-manondro ny fandavana hamboraka izay tokony hijanona ho miafina …
  17. 2522 II. Ny ady ho amin’ny fahadiovana Miaro ny tsiambaratelon’ny olona sy ny fitiavan’izy ireo ny fahalalana menatra. Mitaona ho amin’ny faharetana sy ho amin’ny fahalalana onony eo amin’ny fifandraisam-pitiavana izy ; angatahiny mba ho feno ireo fepetran’ny fifanoloran-tena …
  18. 2523 II. Ny ady ho amin’ny fahadiovana Misy koa ny fahalalana menatra amin’ny vatana tahaka ny amin’ny fisainana ihany. Toheriny, ohatra, ny fikarohana ataon’ireo “mpijery vetaveta” amin’ny vatan’olombelona any amin’ireny dokam-barotra sasany ireny, na ny fitambezoan’ ny fampitam-baovao sasany …
  19. 2524 II. Ny ady ho amin’ny fahadiovana Ny endrika isaloran’ny fahalalana menatra dia miovaova eo amin’ny kolontsaina iray mankamin’ny kolontsaina hafa. Hatraiza hatraiza anefa, mijanona ho fanahiana ny fahamendrehana ara-panahy manokana ho an’ny olona ny fahalalana menatra. Mipoitra amin’ny …
  20. 2525 II. Ny ady ho amin’ny fahadiovana Mila ny fanadiovana ny toe-javatra iainana eo amin’ny fiaraha-monina ny fahadiovana kristianina. Mitaky amin’ireo fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona izy mba hiahy ny fanajana sy ny fahalalana onony amin’ny fampahalalam-baovao. Ny fahadiovan’ny fo no manafaka …