Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2566 Ny fanambaràna ny fivavahana Ny antso ho an’ny daholobe ho amin’ny fivavahana Eo am-pitadiavana an’Andriamanitra ny olombelona . Tamin’ny fahariana no niantsoan’Andriamanitra ny zavatra rehetra avy amin’ny tsy misy ho amin’ny fisiana. Ny olombelona, manarakaraka ny anjely, noho izy nosatrohana voninahitra sy famirapiratana [12] …
  2. 2567 Ny fanambaràna ny fivavahana Ny antso ho an’ny daholobe ho amin’ny fivavahana Andriamanitra no miantso voalohany ny olombelona . Ka na manadino ny Mpahary azy aza ny olombelona, na miafina lavitra ny Tavany, ary na manaraka ny sampiny aza ny olombelona, na miampanga an’Andriamanitra …
  3. 2568 Ao amin’ny Testamenta Taloha Ny fanambaràna ny fivavahana ao amin’ny Testamenta Taloha dia voasoratra eo anelanelan’ny fahalavoan’ny olombelona sy ny fanarenana azy, eo anelanelan’ny antson’alahelon’Andriamanitra tamin’ireo voalohan-janany hoe : “Aiza ianao ? (...) Inona no nataonao …
  4. 2569 Ny fahariana – loharanon’ny fivavahana Voalohany indrindra, miainga avy amin’ny zava-misy momba ny fahariana no isehoan’ny fivavahana. Ny toko sivy voalohany amin’ny Jenezy no mamelabelatra izany fifandraisana amin’Andriamanitra izany, toy ilay fanoloran’i Abela ny voalohan-teraky ny andian’ondry …
  5. 2570 Ny fampanantenana sy ny fivavahana atao amim-pinoana Raha vao nantsoin’Andriamanitra i Abrahama, dia niainga izy, “araka ny tenin’ny Tompo taminy” (Jen 12,4) : “nankatoaviny tanteraka tamin’ny fony ny Tenin’Andriamanitra”, ka nanaiky izy. Ny fihainoan’ny fo izay manapa-kevitra araka an’Andriamanitra …
  6. 2571 Ny fampanantenana sy ny fivavahana atao amim-pinoana Tamin’ny finoany an’Andriamanitra [22] sy ny fandehanany teo anatrehany ary ny fanekem-pihavanana Taminy [23] , no nandraisan’ny patriarka tao an-tranolainy an’ilay Vahininy saro-pantarina : ilay fandraisana vahiny tao "Mambré" tamin’ny fomba mampitolagaga …
  7. 2572 Ny fampanantenana sy ny fivavahana atao amim-pinoana Ho fandiovana farany ny finoany, nangatahina izy “ilay nametrahana ny teny fampanantenana” (Heb 11,17) hanao sorona ny zanany izay nomen’ Andriamanitra azy. Tsy nalemy ny finoany : “Andriamanitra no hanao izay hahitana …
  8. 2573 Ny fampanantenana sy ny fivavahana atao amim-pinoana Navaozin’Andriamanitra tamin’i Jakôba, ilay razamben’ny foko roa ambin’ny folon’i Israely ny fampanantenany [28] . Talohan’ny niatrehany an’i Esao rahalahiny i Jakôba dia nitolona nandritra ny alina manontolo tamin’ny “olona iray” saro-pantarina, izay …
  9. 2574 I Môizy sy ny fivavahan’ny mpanelanelana Nony nanomboka ho tanteraka ny fampanantenana (ny Paka, ny Eksaody, ny fanomezana ny Lalàna ary ny fandraiketana ny fanekem-pihavanana), dia ny fivavahan’i Môizy no endrika manaitra ny fo amin’ny fivavahana fanelanelanana izay …
  10. 2575 I Môizy sy ny fivavahan’ny mpanelanelana Fa eto koa, Andriamanitra no tonga voalohany. Niantso an’i Môizy Izy, teo afovoan’ny Kirihitra nirehitra [30] . Io fisehoan-javatra io dia haharitra ho iray amin’ireo endrika fototry ny fivavahana ao amin’ny lovam-panahy …
  11. 2576 I Môizy sy ny fivavahan’ny mpanelanelana Ary, “niresaka mifanatrika tamin’i Môizy Andriamanitra, mova tsy ny olona miresaka amin’ny sakaizany” (Eks 33,11). Ny fivavahan’i Môizy no endrika manokana amin’ny vavaka fibanjinana, izay fivavahana ahazoana antoka ny mpanompon’Andriamanitra amin’ny iraka …
  12. 2577 I Môizy sy ny fivavahan’ny mpanelanelana Tamin’io fisakaizana lalina amin’Andriamanitra tsy mivadika, tsy malaky tezitra ary feno fitiavana io [31] i Môizy no nanovo hery sy filofosana amin’ny fanelanelanany. Tsy nivavaka ho an’ny tenany izy, fa ho an’ny …
  13. 2578 I Davida sy ny fivavahan’ny mpanjaka Ny fivavahan’ny Vahoakan’Andriamanitra dia hivelatra eo ambany aloky ny fonenan’Andriamanitra, izay tsy inona fa ny fiaran’ny fanekena, ary aty aoriana, ny Tempoly. Ireo mpitarika ny vahoaka aloha - ny mpiandry ondry sy …
  14. 2579 I Davida sy ny fivavahan’ny mpanjaka I Davida no mpanjaka tsara indrindra “araka ny fon’Andriamanitra”, ilay mpiandry ondry mivavaka ho an’ny vahoakany sy amin’ny anarany, ka ny fankatoavany ny sitrapon’Andriamanitra, ny fiderany sy ny fifonany no ho fakan-tahaka …
  15. 2580 I Davida sy ny fivavahan’ny mpanjaka Ny Tempolin’i Jerosalema, ilay tranom-pivavahana nokasain’i Davida haorina, dia tsanganasa ho tanterahin’ny zanany, i Salômônina. Miankina amin’ny fampanantenan’Andriamanitra sy ny fanekem-pihavanany, amin’ny fonenan’ny Anarany amin-kery eo anivon’ny Vahoakany ary amin’ny fahatsiarovana ny …
  16. 2581 Elia, ny mpaminany ary ny fibebahan’ny fo Ny Tempoly, ho an’ny vahoakan’Andriamanitra, no tokony ho toeran’ny fanabeazana azy amin’ny fivavahana : ny fivahiniana masina, ny fety, ny sorona, ny fanatitra takariva, ny emboka manitra, ny mofo “alahatra”, ireo famantarana …
  17. 2582 Elia, ny mpaminany ary ny fibebahan’ny fo Rain’ny mpaminany i Elia, avy amin’ny taranak’ireo izay mitady an’ Andriamanitra sy izay mikatsaka ny Endriny [38] . Ny anarany hoe, “Ny Tompo no Andriamanitro”, no milaza ny hiakan’ny vahoaka ho valin’ny …
  18. 2583 Elia, ny mpaminany ary ny fibebahan’ny fo Rahefa avy nahazo ny famindram-po tamin’ny laretiretiny teo amin’ny ranon-driakan’i Karita i Elia, dia nampianatra an’ilay vehivavy maty vady tao Sareftà ny finoana ny tenin’Andriamanitra, finoana izay nanamafisany tamin’ny alalan’ny fangatahana mafy …
  19. 2584 Elia, ny mpaminany ary ny fibebahan’ny fo Eo amin’ny “fanatrehana irery an’Andriamanitra” ireo mpaminany no manovo fahazavana sy hery ho an’ny fanirahana azy ireo. Tsy hoe fandosirana an’izao tontolo izao mivadi-pitokiana ny fivavahan’izy ireo fa fihainoana ny Tenin’Andriamanitra, indraindray …
  20. 2585 Ny Salamo, vavaky ny mpiangona Nanomboka tamin’i Davida mandra-pahatongan’ny Mesia, ny boky masina dia mirakitra ireo lahatsora-pivavahana izay maneho ny fandalinana ny vavaka, ho an’ny tena ihany sy ho an’ny hafa [47] . Tsikelikely, natambatra ho boky …