Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
2606
Mivavaka i Jesoa
Ny fahoriana rehetra manjo ny olombelona amin’ny fotoana rehetra, izay andevon’ny fahotana sy ny fahafatesana, sy ny fangatahana rehetra mbamin’ ny fanelanelanana rehetra teo amin’ny tantaram-pamonjena, dia voangona ao amin’io Antson’ny Teny …
→
-
2607
Mampianatra mivavaka i Jesoa
Rahefa nivavaka i Jesoa, dia nampianatra antsika sahady hivavaka Izy. Ny lalana avy amin’Andriamanitra momba ny fivavahantsika dia fivavahany tamin’ny Rainy. Kanefa ny Evanjely dia manolotra antsika fampianarana mazava avy amin’i Jesoa …
→
-
2608
Mampianatra mivavaka i Jesoa
Nanomboka tamin’ny toriteny teo an-Tendrombohitra , nanantitrantitra ny amin’ny fibebahan’ny fo i Jesoa : ny famitranam-pihavanana amin’ny mpiray tam-po ara-pinoana alohan’ny hanolorana fanatitra eo amin’ny ôtely [70] , ny fitiavana ny fahavalo …
→
-
2609
Mampianatra mivavaka i Jesoa
Ny fo, tapa-kevitra hibebaka araka izany, dia mianatra mivavaka ao amin’ny finoana . Firaiketan-janaka amin’Andriamanitra ny finoana, mihoatra noho izay tsapantsika sy takatry ny saintsika. Manjary azo atao izany satria ny Zanaka …
→
-
2610
Mampianatra mivavaka i Jesoa
Tahaka ny nivavahan’i Jesoa tamin’ny Ray sy nisaorany talohan’ny nandraisany ny fanomezany, no ampianarany antsika izao fahasahian-janaka izao : “Na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana, minoa fa efa azonareo izany” (Mk …
→
-
2611
Mampianatra mivavaka i Jesoa
Ny fivavahana amim-pinoana dia tsy ny fitenenana fotsiny hoe : “Tompo, Tompo”, fa ny mampifanaraka ny fo hanao ny sitrapon’ny Ray [80] . Izany fiahiana hiara-miasa amin’ny fandaharan’Andriamanitra izany, no iantsoan’ i …
→
-
2612
Mampianatra mivavaka i Jesoa
Ao amin’i Jesoa, dia “efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra” (Mk 1,15), miantso ho amin’ny fibebahana sy ny finoana Izy, nefa koa amin’ny fiambenana . Amin’ny fivavahana ny mpianatra no miandry amim-pitandremana an’Ilay izay …
→
-
2613
Mampianatra mivavaka i Jesoa
Fanoharana lehibe telo momba ny fivavahana no nampitain’i Lioka tamintsika : Ny voalohany, “ilay sakaiza manelingelina” [84] , mamporisika hanao lemozy amin’ny fivavahana : “Dondòny dia hovohaina ianareo.” Amin’izay mivavaka tahak’izany ny …
→
-
2614
Mampianatra mivavaka i Jesoa
Raha namboraka an-karihary tamin’ireo mpianany ny misterin’ny fivavahana amin’ny Ray i Jesoa, dia nampiseho azy ireo ny tsy maintsy ho fivavahan’izy ireo, sy ny antsika, rahefa hiverina eo anilan’ny Ray Izy, amin’ny …
→
-
2615
Mampianatra mivavaka i Jesoa
Fa indrindra, “ilay Mpanafaka alahelo hafa, dia ny Fanahin’ny Fahamarinana, mba hitoetra ao aminareo mandrakizay” (Jo 14,16-17) no omen’ny Ray antsika, rahefa miray amin’ny vavak’i Jesoa ny fivavahantsika. Io zava-baovao amin’ny fivavahana …
→
-
2616
Mihaino vavaka i Jesoa
Ny fivavahana amin’i Jesoa dia efa nohenoiny nandritra ny raharaham-pamonjeny, tamin’ny alalan’ireo famantarana izay naneho mialoha ny herin’ ny fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona : I Jesoa dia mihaino ny vavaka …
→
-
2617
Ny vavak’i Maria Virjiny
Ny vavak’i Maria dia nambara tamintsika teo am-piandohan’ny hafenoan’ ny fotoana. Talohan’ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo sy talohan’ny firotsahan’ny Fanahy Masina, ny fivavahany no niara-niasa tamin’ny fomba tokana aman-tany tamin’ny fandaharana feno …
→
-
2618
Ny vavak’i Maria Virjiny
Ny Evanjely dia manambara amintsika ny fomba fivavak’i Maria sy fanelanelanany amim-pinoana : tao Kanà [100] , niangavy tamin-Janany ny Renin’i Jesoa ho an’ny zavatra ilaina tao amin’ny sakafon’ny fampakaram-bady iray, famantarana …
→
-
2619
Ny vavak’i Maria Virjiny
Izany no mahatonga ny tonon-kiran’i Maria [102] , “ Magnificat”(Mankalaza ny Tompo ny fanahiko) amin’ny teny latinina, “ Mégalinaire” amin’ny teny bizantinina, ho sady tonon-kiran’ny Renin’Andriamanitra no tonon-kiran’ny Fiangonana, sady tonon-kiran’ny Zanakavavin’i …
→
-
2620
Ny vavak’i Maria Virjiny
Ny môdely lavorary amin’ny fivavahana, ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia miorina amin’ny vavaka maha-zanaka an’i Jesoa. Ny vavak’i Jesoa, natao matetika tany amin’ny toerana mitokana, tany amin’ny toerana mangina, dia manambara firaiketam-po …
→
-
2621
Ny vavak’i Maria Virjiny
Tamin’ny fampianarany i Jesoa no nampianatra ny mpianany hivavaka amim-po voadio, amim-pinoana velona sy maharitra, amim-pahasahian-janaka. Miantso azy ireo hiambina Izy ary mandrisika azy ireo hanolotra amin’Andriamanitra ny fangatahan’izy ireo amin’ny anarany. …
→
-
2622
Ny vavak’i Maria Virjiny
Ny vavak’i Maria Virjiny, ao amin’ny “ Aoka anie ho tanteraka amiko ” ( “ Fiat ” ) sy ao amin’ny “Mankalaza ny Tompo ny fanahiko” (Magnificat) dia misongadina amin’ny fanolorana amin-kalalahana …
→
-
2623
Amin’ny andron’ny Fiangonana
Tamin’ny andro Pantekôty, ny Fanahin’ny fampanantenana dia nirotsaka tamin’ny mpianatra, “nivory tao amin’ny toerana iray” (Asa 2,1), ka teo am-piandrasana Azy, “dia niray saina izy rehetra, ary naharitra nivavaka” (Asa 1,14). Ny …
→
-
2624
Amin’ny andron’ny Fiangonana
Tao amin’ny ankohonam-piangonana voalohany tao Jerosalema, dia “nazoto tamin’ny fampianaran’ny apôstôly, tsy nivadika tamin’ny fiombonana maha-mpiray tam-po ara-pinoana, tamin’ny fizarana ny mofo ary tamin’ny vavaka” (Asa 2,42) ny mpino. Mampiavaka ny fivavahan’ny …
→
-
2625
Amin’ny andron’ny Fiangonana
Ny fivavahan’ny Fiangonana aloha dia ireo izay henoin’ny mpino sy vakìny ao amin’ny Soratra Masina, kanefa ampihariny amin’ny fiainana ankehitriny ireny, singanina manokana ny vavaka Salamo, izay manomboka amin’ny fahatanterahan’izy ireny ao …
→