Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2666 Ny fivavahana amin’i Jesoa Fa ny Anarana izay mahafaoka azy rehetra dia ilay izay noraisin’ny Zanak’Andriamanitra tamin’ny Fahatongavany ho nofo hoe : JESOA. Tsy hain’ny vavan’olombelona tononina ny Anaran’Andriamanitra [11] , nefa amin’ ny fizakan’ny Tenin’Andriamanitra …
  2. 2667 Ny fivavahana amin’i Jesoa Izany fitalahoam-pinoana tena tsotra izany no velabelarin’ny lovam-pampianaran’ny fivavahana amin’ny endrika maro tany Atsinanana sy tany Andrefana. Ny fitenenana mahazatra indrindra, nampitain’ny mpampianatra ara-panahy tany Sinaia, tany Siria ary tany Athos, dia …
  3. 2668 Ny fivavahana amin’i Jesoa Ny fiantsoana ny anara-masin’i Jesoa no lalana tsotra indrindra amin’ny vavaka tsy an-kijanona. Noho izy averimberin’ny fo mahatandrina amim-panetren-tena matetika, dia tsy miparitaka amin’ny hamaroan’ny teny (Mt 6,7) izy, fa “mitana ny …
  4. 2669 Ny fivavahana amin’i Jesoa Ny vavaky ny Fiangonana dia manaja sy manome voninahitra ny Fon’i Jesoa , tahaka ny iantsoany ny Anarany masina indrindra. Ny vavaky ny Fiangonana dia mitsaoka ny Teny tonga nofo sy ny …
  5. 2670 “Avia, ry Fanahy Masina” “Tsy misy afa-milaza hoe : Jesoa no Tompo, raha tsy tarihin’ny Fanahy Masina” (1 Kôr 12,3). Isaky ny manomboka mivavaka amin’i Jesoa isika, dia ny Fanahy Masina no mitari-dalana antsika ho amin’ny …
  6. 2671 “Avia, ry Fanahy Masina” Ny fomba fanao araka ny lovantsofina amin’ny fangatahana ny Fanahy, dia ny mitalaho amin’ny Ray amin’ny alalan’i Kristy Tompontsika mba hanomezany antsika ny Fanahy Mpanafaka alahelo [17] . Nanantitrantitra ny momba izany …
  7. 2672 “Avia, ry Fanahy Masina” Ny Fanahy Masina, izay fanosorana mamonto ny maha-olona antsika manontolo, no Mpampianatra ao anaty amin’ny fivavahana kristianina. Izy no tompon’antoky ny lovam-panahy velona momba ny fivavahana. Marina fa samy maro ny fandrosoana …
  8. 2673 Miombona amin’ny Reny masin’Andriamanitra Amin’ny vavaka, ny Fanahy Masina no mampiray antsika amin’ny Tenan’ ny Zanaka Lahitokana, amin’ny maha-Olombelona nomem-boninahitra Azy. Amin’ny alalan’io Tenany io sy ao Aminy ny fivavahana amin’ny maha-zanaka antsika no miombona ao …
  9. 2674 Miombona amin’ny Reny masin’Andriamanitra Ny maha-Reny an’i Maria, izay nanomboka tamin’ny fanekena amim-pinoana, ny andron’ny “Filazana”, ary voatanany tsy nisy fisalasalana hatreo am-pototry ny Hazofijaliana, dia miitatra tsy miato amin’ny rahalahy sy anabavin’ny Zanany “mbola ety …
  10. 2675 Miombona amin’ny Reny masin’Andriamanitra Miainga avy amin’izany fiaraha-miasa manokana eo amin’i Maria sy ny asan’ny Fanahy Masina izany no nampiroboroboan’ireo Fiangonana ny fangatahana atao amin’ny Reny masin’Andriamanitra, amin’ny fampifantohana izany amin’ny Tenan’i Kristy naseho miharihary tao …
  11. 2676 Miombona amin’ny Reny masin’Andriamanitra Ao amin’ny vavaka hoe “Arahaba, ry Maria”, no ahitana amin’io fihetsika anankiroa amin’ny fangatahana amin’i Maria io ny fomba fiteny maneho tombon-tsoa manokana : “ Arahaba ry Maria (Mifalia ianao, ry Maria). …
  12. 2677 Miombona amin’ny Reny masin’Andriamanitra “ Masina Maria, Renin’Andriamanitra, mivavaha ho anay ... ” Miaraka amin’i Elizabeta isika no mitolagaga hoe :”Avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompoko aho ?” (Lk 1,43). Sady Renin’Andriamanitra no …
  13. 2678 Miombona amin’ny Reny masin’Andriamanitra Ny fitiavam-bavaka tamin’ny taonjato antenatenany tany Andrefana dia nampandroso ny fivavahana Raozery, ho solon’ny Vavaka Isan’Andro, ho an’ny vahoaka. Tany Atsinanana, ny vavaka litania amin’ny “Acathiste” sy amin’ny “Paraclisis” no nijanona ho …
  14. 2679 Miombona amin’ny Reny masin’Andriamanitra I Maria no Mpivavaka lavorary, endriky ny Fiangonana. Rahefa mangataka aminy isika, dia mifikitra mafy miaraka aminy amin’ny fandaharan’ny Ray, izay naniraka ny Zanany mba hamonjy ny olombelona rehetra. Toy ilay mpianatra …
  15. 2680 Miombona amin’ny Reny masin’Andriamanitra Amin’ny Ray indrindra no avantana ny fivavahana ; tahaka izany koa, mivantana amin’i Jesoa ny fivavahana, indrindra amin’ny fiantsoana ny Anarany masina hoe : “ Jesoa, Kristy, Zanak’Andriamanitra, Tompo, mamindrà fo aminay, …
  16. 2681 Miombona amin’ny Reny masin’Andriamanitra “ Tsy misy afa-milaza hoe : Jesoa no Tompo, raha tsy noho ny asan’ny Fanahy Masina ” (1 Kôr 12,3). Manainga antsika ny Fiangonana hiantso ny Fanahy Masina amin’ny maha-Mpampianatra anaty Azy …
  17. 2682 Miombona amin’ny Reny masin’Andriamanitra Noho ny fiarahany miasa manokana amin’ny asan’ny Fanahy Masina, dia tian’ny Fiangonana ny miombom-bavaka amin’i Maria Virjiny, mba hankalaza miaraka aminy ny zava-dehibe notanterahin’Andriamanitra tao aminy, sy mba hanankina aminy ny fitalahoana …
  18. 2683 Ny vavolombelona zavon-tany Ireo vavolombelona izay nialoha antsika any amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra [30] , indrindra ireo izay ankatoavin’ny Fiangonana ho “olomasina”, dia mandray anjara amin’ny lovam-panahy velona momba ny fivavahana, amin’ny alalan’ny oha-piainan’izy ireo, amin’ny …
  19. 2684 Ny vavolombelona zavon-tany Ao amin’ny fiombonan’ny olomasina no itomboan’ireo Fiangonana amin’ ny fiainam-panahy samihafa, eny am-pamakivakiana ny tantara eny. Ny fanomezam-pahasoavana ny tsirairay ho vavolombelon’ny fitiavan’ Andriamanitra ho an’ny olombelona dia azo ampitaina, toy ny …
  20. 2685 Ny mpanompon’ny fivavahana Ny fianakaviana kristianina no voalohan-toerana fanabeazana amin’ny fivavahana. Noho ny fianakaviana kristianina miorina amin’ny sakramentan’ ny Fanambadiana, dia manjary “Fiangonana ao an-tokantrano” izy, ka ao ny zanak’Andriamanitra no mianatra mivavaka “ao amin’ny …