Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2686 Ny mpanompon’ny fivavahana Ireo mpandraharaha voahosotra koa dia tompon’andraikitra amin’ny fanabeazana ny rahalahin’izy ireo sy ny anabaviny ao amin’i Kristy, amin’ny fivavahana. Amin’ny maha-mpanompon’ilay Mpiandry ondry tsara azy ireo, dia nohamasinina izy ireo mba hitarika …
  2. 2687 Ny mpanompon’ny fivavahana Betsaka amin’ireo relijiozy no manokana ny fiainan’izy ireo manontolo ho amin’ny fivavahana. Nanomboka tany an’efitr’i Ejipta, mpitoka-monina irery maro tany an’efitra sy relijiozy mpitoka-monina lehilahy sy vehivavy maro no nanolotra ny andron’izy …
  3. 2688 Ny mpanompon’ny fivavahana Ny katesezy ho an’ny ankizy, ny tanora ary ny olon-dehibe, dia mikendry mba ny Tenin’Andriamanitra no hodinihana amin’ny vavaka atao irery, hampiharina amin’ny fiainana ankehitriny amin’ny fivavahana litorzika, ary hotanana ao anaty …
  4. 2689 Ny mpanompon’ny fivavahana Ny vondrona mpivavaka , mainka moa ny “sekolim-pivavahana”, ankehitriny no iray amin’ireo famantarana sy iray amin’ireo fanoitra amin’ ny fanavaozana ny fivavahana ao amin’ny Fiangonana, raha toa ka misotro ao amin’ny tena …
  5. 2690 Ny mpanompon’ny fivavahana Omen’ny Fanahy Masina ny mpino sasany ny fanomezana ny fahendrena, ny finoana ary ny fandanjalanjana, ho amin’ity soa iombonana ity, dia ny fivavahana izany ( fitantanam-panahy ). Ireo izay nomena izany na …
  6. 2691 Ny toerana mety sy tsara amin’ny fivavahana Ny fiangonana, tranon’Andriamanitra, no toerana sahazan’ny fivavahana litorzika ho an’ny ankohonana kristianina eo amin’ny paroasy. Ny fiangonana koa no toerana manokana amin’ny fitsaohana ny fisiana marin’i Jesoa-Kristy amin’ny Sakramenta Masina. Ny fifidianana …
  7. 2692 Ny toerana mety sy tsara amin’ny fivavahana Amin’ny fivavahany, ny Fiangonana mivahiny eto an-tany dia mikambana amin’ny Fiangonan’ireo olomasina izay italahoany fanelanelanana.
  8. 2693 Ny toerana mety sy tsara amin’ny fivavahana Ireo toe-panahy samihafa manentana ny kristianina dia mandray anjara amin’ny lovam-pampianarana velona momba ny fivavahana sy mpitarika tsara tokoa ho amin’ny fiainam-panahy.
  9. 2694 Ny toerana mety sy tsara amin’ny fivavahana Ny fianakaviana kristianina no voalohan-toerana fanabeazana amin’ny fivavahana.
  10. 2695 Ny toerana mety sy tsara amin’ny fivavahana Ireo mpandraharaha voahosotra, ny fanokanam-piainana ho an’ Andriamanitra, ny katesezy, ireo vondrona mpivavaka, ny “ fitantanam-panahy ” , no miantoka ao amin’ny Fiangonana ny fanampiana ho amin’ny fivavahana.
  11. 2696 Ny toerana mety sy tsara amin’ny fivavahana Ny toerana mety sy tsara indrindra amin’ny fivavahana, dia ny efi-trano kely fivavahana natokana ho an’olona tsirairay na ho an’ny fianakaviana, ny tranon-drelijiozy mpitoka-monina, ny trano fiangonam-pivahiniana masina, ary indrindra ny trano …
  12. 2697 Ny fiainam-bavaka Ny fivavahana no ain’ny fo vaovao. Afaka manentana antsika ny fivavahana na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona. Nefa hadinontsika Ilay izay Fiainantsika sy Manontolontsika. Noho izany, ireo Ray am-panahy, ao …
  13. 2698 Ny fiainam-bavaka Ny Lovam-pampianaran’ny Fiangonana dia manome hevitra ny mpino amin’ny fiverimberenan’ny vavaka natokana ho fanamafisana ny mivavaka lalandava. Fanao isan’andro ny sasany amin’ireny : ny vavaka maraina sy hariva, ny vavaka aloha sy …
  14. 2699 Ny fiainam-bavaka Tarihin’ny Tompo amin’ny lalana sy ny fomba izay sitraky ny Tenany ny olona tsirairay. Mamaly Azy koa ny mpino tsirairay araka ny famaritan’ny fony sy ny fanehoany manokana ny fivavahany. Ny Lovam-pampianarana …
  15. 2700 I. Ny vavaka am-bava Amin’ny alalan’ny Teniny Andriamanitra no miteny amin’ny olombelona. Amin’ny alalan’ny teny izany, an-tsaina na am-bava, no iforonan’ny fivavahantsika. Kanefa ny zava-dehibe indrindra dia ny fanatrehan’ny fo an’ Ilay izay iresahantsika amin’ny vavaka. …
  16. 2701 I. Ny vavaka am-bava Foto-pisainana ilaina amin’ny fiainana kristianina ny vavaka am-bava. Ireo mpianatra, voasinton’ny vavaka amim-panginana fanaon’ny Mpampianatra azy ireo, dia nampianaran’ity Mpampianatra vavaka am-bava iray : ny Rainay izany. Tsy ny fivavahana litorzika fanao …
  17. 2702 I. Ny vavaka am-bava Izany filana amin’ny fanakambanana ny fandrenesana sy ny vavaka anaty izany dia mamaly izay takìn’ny toetra voa-Janahary maha-olombelona antsika. Vatana sy fanahy isika, ka tsapantsika ao anaty ny filana maneho ety ivelany …
  18. 2703 I. Ny vavaka am-bava Mamaly ny fitakian’Andriamanitra koa izany filana izany. Mitady mpivavaka amin’ny Fanahy sy ny Fahamarinana Andriamanitra, ka noho izany ilainy ny vavaka miakatra amin-kery avy ao anaty fanahy lalina. Ankasitrahany koa ny fanehoana …
  19. 2704 I. Ny vavaka am-bava Satria hita miharihary sy tena araka ny maha-olombelona tanteraka ny vavaka am-bava, ka izany no maha-vavaka fanaon’ny vahoaka azy amin’ny fomba tsara indrindra. Sady na ny vavaka faran’izay ao anaty aza, tsy …
  20. 2705 II. Ny fandinihana masina Ny fikatsahana indrindra no tena fandinihana masina. Katsahin’ny saina ny hahafantatra antony sy ny fomba fiainana kristianina, mba hiraiketana sy hamaliana amin’izay angatahin’ny Tompo. Ilaina amin’izany ny fifantohan-tsaina mafy amin’ny fifehezan-tena. Fomba …