Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
1481
XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana
Ny litorzia bizantinina dia manana rijan-teny maro famotsoran-keloka, amin’ny endrika fitalahoana, izay mampiseho amin’ny fomba mampitolagaga ny misterin’ny famelana : “Enga anie Andriamanitra, izay tamin’ny alalan’i Natàna mpaminany, namela an’i Davida fony …
→
-
1482
XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana
Ny sakramentan’ny Fivalozana dia azo atao koa ao anatin’ny sehatry ny fankalazana iombonana izay amin’izany no iarahana miomana amin’ny kônfesy sy iarahana misaotra noho ny famelana azo. Eto, ny fieken’ny olona tsirairay …
→
-
1483
XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana
Amin’ny toe-javatra mahalatsaka an-katerena dia azo atao ny midodododo ho amin’ny fankalazana iombonana amin’ny fampihavanana miaraka amin’ny kônfesy mitamba-be sy ny famotsorana mitamba-be . Mety hiseho ny mahalatsaka an-katerena raha misy loza …
→
-
1484
XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana
“Ny fikônfesen’ny tsirairay ny fahotana manontolo arahina famotsoran-keloka dia maharitra ho hany fomba fanao andavanandro izay amin’izany no ihavanan’ny mpino amin’Andriamanitra sy amin’ny Fiangonana, afa-tsy raha misy tsy fahazoa-manatanteraka ara-batana na ara-tsaina …
→
-
1485
XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana
“ Ny harivan’ny Paka, niseho tamin’ny apôstôliny i Jesoa Tompo, ary nilaza tamin’izy ireo hoe : " Raiso ny Fanahy Masina. Ireo izay havelanareo fahotana, dia ho voavela. Ireo izay ho tananareo …
→
-
1486
XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana
Ny famelana ny fahotana natao taorian’ny Batemy dia omena amin’ny alalan’ny sakramenta manokana antsoina hoe : sakramentan’ny fibeba-hana, fibabohana, Fivalozana na Fampihavanana.
→
-
1487
XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana
Izay manota dia manala baraka an’Andriamanitra sy ny fitiavany, manimba ny hasina maha-olona azy voantso ho zanak’ Andriamanitra sy ny fiadanam-panahin’ny Fiangonana izay ny kristianina tsirairay no tsy maintsy ho vato velona.
→
-
1488
XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana
Amin’ny maso ara-pinoana, tsy misy zava-doza na iray aza mihoatra noho ny fahotana ary tsy misy voka-dratsy mahatsiravina noho izay aterany amin’ny tenan’izy mpanota ihany, amin’ny Fiangonana, ary amin’izao tontolo rehetra izao.
→
-
1489
XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana
Ny miverina indray amin’ny fiombonana amin’Andriamanitra taorian’ny nahaverezan’izany noho ny fahotana, dia fihetsika ateraky ny fahasoavan’ Andriamanitra feno indrafo sy miahy ny famonjena ny olombelona. Tokony hangatahina ho an’ny tena ihany tahaka …
→
-
1490
XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana
Ny fandehanana miverina amin’Andriamanitra, antsoina hoe fibebahana sy fanenenana, dia mirakitra alahelo mafy sy rikoriko noho ny fahotana natao, ary fikasana mafy tsy hanota intsony amin’ny hoavy. Mahakasika ny lasa sy ny …
→
-
1491
XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana
Ny sakramentan’ny Fivalozana dia miorina amin’ny asa telo ataon’ny mpivalo, sy amin’ny famelan-keloka omen’ny Pretra. Ny asa ataon’ny mpivalo dia : ny fanenenana, ny fikônfesena na filazana ny fahotana amin’ny Pretra ary …
→
-
1492
XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana
Ny fanenenana (antsoina koa hoe alahelon’ny fo noho ny ratsy natao tamin’Andriamanitra) dia tsy maintsy ho avy amin’ny antony ara-pinoana. Raha noho ny fitiavana an’Andriamanitra no ahatsapana ilay fanenenana, dia atao hoe …
→
-
1493
XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana
Ilay izay maniry hahazo ny fampihavanana amin’Andriamanitra sy amin’ ny Fiangonana, dia tsy maintsy mikônfesy amin’ny Pretra ny fahotana lehibe rehetra izay tsy mbola nikônfeseny ka tsaroany amin’ny fandinihany amim-pitandremana ny kônsiasiny. …
→
-
1494
XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana
Manome hevitra ny mpivalo ny mpampikônfesy amin’ny fanatanterahana ny sasantsasany amin’ny asa “ fanonerana ” na “ fivalozana ” mba hanonerana ny voka-dratsy nafitsoky ny fahotana sy mba hanarenana indray ny fanao …
→
-
1495
XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana
Ny Pretra izay hany nahazo tamin’ny manam-pahefan’ny Fiangonana ny fahefana hamotsotra heloka no afaka mamela ny fahotana amin’ny Anaran’i Kristy.
→
-
1496
XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana
Ny vokatra ara-panahy azo avy amin’ny sakramentan’ny Fivalozana, dia : - ny fihavanana amin’Andriamanitra izay amin’ny alalan’izany no ahazoan’ny mpivalo indray ny fahasoavana ; - ny fihavanana amin’ny Fiangonana ; - ny …
→
-
1497
XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana
Ny fikônfesen’ny tsirairay ny fahotana lehibe manontolo, arahin’ny famotsoran-keloka, dia maharitra ho hany fomba fanao andavanandro amin’ny fampihavanana amin’Andriamanitra sy amin’ny Fiangonana.
→
-
1498
XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana
Amin’ny alalan’ny endolzansy no ahafahan’ny mpino mahazo ho an’ny tenany ihany, ary koa ho an’ny fanahy ao amin’ny Afofandiovana, ny famelana ny sazy misy fetra vokatry ny fahotana.
→
-
1499
Ny fanosorana ny marary
“Amin’ny fanosorana diloilo masina ny marary sy ny vavaky ny Pretra no anankinan’ny Fiangonana manontolo amin’ny Tompo nijaly sy nomem-boninahitra ireo marary, mba hanamaivana ny aretin’izy ireo sy hamonjy azy ireo ny …
→
-
1500
Ny aretina eo amin’ny fiainan’olombelona.
Anisan’ireo olana lehibe indrindra mandrakariva, izay mampijaly ny fiainan’olombelona, ny aretina sy ny fijaliana. Amin’ny aretina no hahatsapan’ny olombelona ny tsy fahampian’ny heriny, ny fetrany ary ny maha-misy farany azy. Mety ahatarafantsika …
→