Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2481 III. Ny fahotana manohitra ny fahamarinana Ny fireharehana na fieboeboana dia anisan’ny fahadisoana manohitra ny fahamarinana. Toraka izany koa ny fanesoana izay mikendry hanambany olona amin’ny fanaovana kisarisary mampihomehy na manebaka, amin’ny fomba feno hasomparana, ny endriky ny …
  2. 2482 III. Ny fahotana manohitra ny fahamarinana “Ny hoe lainga dia filazana zavatra tsy marina kendrena hamitahana” [91] . Ampahafantarin’ny Tompo fa tsanganasan-devoly ny lainga : “Ny devoly no ray niavinareo (...) tsy misy marina ao aminy : rahefa …
  3. 2483 III. Ny fahotana manohitra ny fahamarinana Ny lainga no fahotana mivantana indrindra amin’ny fahamarinana. Ny mandainga dia ny miteny na ny manao asa amam-pihetsika manohitra ny marina mba hamitahana. Amin’ny fanimbàn’ny lainga ny fifandraisan’ny olona amin’ny marina sy …
  4. 2484 III. Ny fahotana manohitra ny fahamarinana Ny amaritana ny halehiben’ny lainga dia arakaraka ireto : ny toetran’ny fahamarinana nosimbàny, ny toe-java-miseho, ny fikasan’ilay nandainga, ny fahavoazan’ilay nianjadiam-boina tamin’ny lainga. Raha fahotana madinika ny lainga tsotra amin’ny maha-lainga azy, …
  5. 2485 III. Ny fahotana manohitra ny fahamarinana Mahameloka ny lainga amin’ny maha-lainga azy. Fametavetana ny teny izay ilaina hampahafantarana ny hafa ny marina fantatra, ny lainga. Ny minia mamitaka ny namana amin’ny alalan’ny resaka manohitra ny marina dia fahadisoana …
  6. 2486 III. Ny fahotana manohitra ny fahamarinana Ny lainga (satria fanazimbàna ny hasin’ny firaiketana amin’ny marina) dia tena herisetra tokoa atao amin’ny hafa. Ny herim-pahazoan’ny olona mamantatra, izay fototry ny fahaiza-mandanjalanja rehetra sy ny fahaiza-manapa-kevitra rehetra, no simbàny. Ao …
  7. 2487 III. Ny fahotana manohitra ny fahamarinana Mitaky adidim-panonerana ny fahadisoana rehetra natao momba ny rariny sy ny marina, na dia efa voavela heloka aza ilay nanao izany. Raha sarotra atao ny manonitra hadisoana iray ampahibemaso, dia tsy maintsy …
  8. 2488 IV. Ny fanajana ny marina Misy fepetra ny zo hampahafantatra ny marina . Tokony hampifanarahan’ ny tsirairay amin’ny fitsipiky ny fitiavana maha-mpiray tam-po araka ny Evanjely, ny fiainany. Takìn’io fitiavana maha-mpiray tam-po io, eo amin’ ny fisehoana …
  9. 2489 IV. Ny fanajana ny marina Ny fitiavana sy ny fanajana ny marina no tokony hibaiko ny valy amin’ny fangataham-baovao na fampitam-baovao rehetra . Ny soa sy ny filaminan-tsainan’ny hafa, ny fanajana ny fiainana manokana, ny soa iombonana, …
  10. 2490 IV. Ny fanajana ny marina Masina ny t siambaratelon’ny sakramentan’ny fampihavanana , ary tsy azo havoaka na inona inona lazaina ho antony. “Tsy azo ivadihana ny tsiambaratelo ara-tsakramenta ; noho izany, voarara tanteraka ny mpampikônfesy tsy hamoaka …
  11. 2491 IV. Ny fanajana ny marina Ny tsiambaratelon’asa – ohatra : izay tazonin’ny mpitondra fanjakana, tazonin’ny miaramila, ny mpitsabo, ny mpitsara – na ny filazan-javatra amin’ny olona, nefa zavatra notanana ho tsiambaratelo, dia tsy maintsy harovana, afa-tsy amin’ny …
  12. 2492 IV. Ny fanajana ny marina Adidin’ny tsirairay ny mitana ny tsiambaratelo marina momba ny fiainan’ ny olona manokana. Adidin’ny mpiandraikitra ny fampitam-baovao ny mandrindra sy mandanjalanja ara-drariny an’izany, eo amin’ny takìn’ny soa iombonana sy ny fanajana ny …
  13. 2493 V. Ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona Ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona, eo anivon’ny fiaraha-monina amin’ny androm-piainana ankehitriny, dia manana anjara toerana lehibe dia lehibe amin’ny fampahalalam-baovao, amin’ny fampandrosoana ara-kolontsaina ary ny fampianarana amam-panabeazana. Mihalehibe io anjara toerana io, noho ny …
  14. 2494 V. Ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona Ho an’ny soa iombonana no ampiasana ny fampahalalam-baovao amin’ny fitaovam-pifandraisana [94] . Zon’ny mpiara-belona ny hahazo vaovao miorina amin’ny fahamarinana, ny fahafahana, ny rariny sy ny hitsiny, ary ny firaisan-kina amam-piombonana : …
  15. 2495 V. Ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona “Ilaina raha ny tsirairay rehetra eo amin’ny fiaraha-monina no manatanteraka ao anatin’io sehatra io koa, ny adidin’izy ireo amin’ny rariny sy ny fahamarinana. Hampiasa ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona izy ireo, mba hiara-miasa amin’ny …
  16. 2496 V. Ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona Ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona (singanina manokana ny fitaovam-pampitam-baovao ho an’ny daholobe) dia mety hiteraka fanarahana am-bokony ihany ao amin’ireo mpampiasa, ka hahatonga azy ireo tsy ho malina amin’ny hafatra ampitaina aminy na amin’ny …
  17. 2497 V. Ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona Noho ny asa fanaovana gazety, dia manana adidy amin’izany ireo mpanao gazety, amin’ny fampielezana ny vaovao, hanome ny marina sy tsy hanafintohina ny fitiavana. Hiezaka izy ireo hanaja, amin’ny fiahiana mitovy, ny …
  18. 2498 V. Ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona “Manana adidy manokana ny mpitondra firenena hitsimbina ny soa iombonana. Adidin’ny fanjakana ny miaro sy miahy ny fahafahana tena izy sy ara-drariny amin’ny fampahalalam-baovao” [97] . Amin’ny famoahana lalàna sy amin’ny fitandremana …
  19. 2499 V. Ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona Ny môraly no mamoaka ireo loza afitsoky ny firenena mpanao bodo ngerona, izay manao hosoka ny fahamarinana amim-pomba voarindra, mampiasa ny jadona pôlitika ara-panehoan-kevitra amin’ny alalan’ny fitaovana fampitam-baovao, “manamboamboatra” ny voampanga sy …
  20. 2500 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina Tsy misaraka amin’ny fahafinaretan’ny fanahy azo maimaim-poana sy ny hatsara ara-môraly, ny fanaovana ny tsara. Toy izany koa, misy hafaliana amin’ny hatsaran’ny fanahy sy ny famirapiratany, ny fahamarinana. Tsara amin’ny maha-fahamarinana azy …