Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2501 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina Ny olombelona, noho izy noarìna mitovy endrika amin’Andriamanitra [99] , dia maneho koa ny fahamarinan’ny fifandraisany amin’Andriamanitra Mpahary, amin’ny alalan’ny hatsaran’ny tsanganasan-tanany. Satria, ny haikanto dia endri-panehoana manokana an’ny olombelona ; ao …
  2. 2502 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina Ny zavakanto masina dia marina sy tsara, rahefa mifanahaka amin’ny fiantsoana azy manokana ny famoronana azy, dia ny mampahatsiahy sy ny mampiseho ny voninahitra, amin’ny finoana sy ny fitsaohana, ny mistery tsy …
  3. 2503 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina Noho izany, ny Eveka, amin’ny alalan’ny tenan’izy ireo ihany na amin’ny alalan’ny fisoloan-toerana, dia tokony hanao izay hampandroso ny zavakanto masina, tranainy na vaovao, amin’ny endriny rehetra, ary manesotra izay rehetra tsy …
  4. 2504 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina “ Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao ianao ” (Eks 20,16). Ny mpianatr’i Kristy dia “ mitafy ny olom-baovao noarìna araka an’Andriamanitra ao anatin’ny rariny sy ny hitsiny mbamin’ny fahamasinana izay …
  5. 2505 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina Ny hoe fahamarinana na firaiketana amin’ny marina dia herim-panahy izay mampiseho fa marina amin’ny asany izy sy milaza fa marina amin’ny teniny, amin’ny fiarovan-tena tsy hamitaka, tsy hisandoka ary tsy hihatsaravelatsihy.
  6. 2506 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina “ Tsy menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo ” (2 Tim 1,8) amin’ny asa sy amin’ny teny, ny kristianina. Ny maty martiry no fara tampon’ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny fahamarinan’ny finoana.
  7. 2507 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina Ny fanajana ny laza amam-boninahitr’olona dia mandrara ny fihetsika rehetra atao na ny fiteny rehetra manaratsy na manendrikendrika.
  8. 2508 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina Ny hoe lainga dia filazana zavatra tsy marina kendrena hamitahana ny namana.
  9. 2509 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina Mitaky fanonerana, ny fahadisoana natao manohitra ny marina.
  10. 2510 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina Ny fitsipika volamena no manampy amin’ny fahaiza-mandanjalanja, eo amin’ny fisehoana toe-javatra lehibe, na mety na tsia ny manambara ny marina amin’izay mangataka izany.
  11. 2511 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina “Tsy azo avoaka ny tsiambaratelo ara-tsakramenta” [103] . Tsy maintsy tanana ny tsiambaratelon’asa. Tsy azo aely eny imasom-bahoaka ny tsiambaratelo mety hanimba ny hafa.
  12. 2512 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina . Zon’ny mpiara-belona ny hahazo vaovao miorina amin’ny fahamarinana, ny fahafahana ary ny rariny sy ny hitsiny. Tsara ny mampisy fahalalam- petra sy fitsipi-pifehezana amin’ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisan’ ny mpiara-belona.
  13. 2513 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina Ny haikanto, fa indrindra ny zavakanto masina, “ dia mikendry, amin’ny maha-zavakanto azy, ny hampiseho araka izay azo atao ao amin’ireo tsanganasan’olombelona, ny hatsarana tsy misy fetran’Andriamanitra, ary natao indrindra ireny mba …
  14. 2514 Ny didy fahasivy Avahan’i Md Joany ho karazany telo ny fitsiriritana na fanirian-dratsy : ny fitsiriritan’ny nofo, ny fitsiriritan’ny maso ary ny fiavonavonana eo amin’ny fiainana [105] . Araka ny lovam-pampianarana ara-katesezy katôlika, dia raràn’ny …
  15. 2515 Ny didy fahasivy Ny hoe “fanirian-dratsy”, araka ny dikan’ny fakan-teny nipoirany, dia azo anondroana ny endrika rehetra mirehidrehitry ny fanirian’ olombelona. Ny teôlôjia kristianina dia nanome hevitra manokana izany amin’ny fihetsiky ny fahalianan’ny nofo, izay …
  16. 2516 Ny didy fahasivy Noho ny olombelona voary natambatra ho fanahy sy vatana , dia efa misy fifanoherana ihany ao aminy, efa miseho ihany ny tolon’ny fironana eo amin’ny “fanahy” sy ny “nofo”. Ny tena marina, …
  17. 2517 I. Ny fandiovana ny fo Ny fo no foiben’ny toetran’ny tsirairay ara-môraly : “Avy amin’ny fo no iavian’ny hevi-dratsy, ny famonoan’olona, ny fakam-badin’olona sy ny fijangajangana” (Mt 15,19). Mandalo amin’ny alalan’ny fandiovana ny fo sy ny fahaizana …
  18. 2518 I. Ny fandiovana ny fo Ny hasambarana fahenina dia manao antso avo hoe : “Sambatra ireo madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy ireo” (Mt 5,8). Ny hoe “madio fo” dia enti-manondro ireo izay nampifanaraka ny sain’izy ireo …
  19. 2519 I. Ny fandiovana ny fo Nampanantenaina an’ireo “madio fo” ny hahita an’Andriamanitra mifanatri-tava sy ny hifanahaka Aminy [115] . Ny fahadiovan’ny fo no mialoha ny fahitana. Manomboka ankehitriny, izany no ahafahantsika mahita araka an’Andriamanitra sy mandray ny …
  20. 2520 II. Ny ady ho amin’ny fahadiovana Ny Batemy no manome an’izay mandray azy ny fahasoavana enti-manadio ny fahotana rehetra. Kanefa tsy maintsy manohy miady amin’ny fanirian-dratsin’ny nofo sy ny fitsiriritan-dratsy ilay vita batemy. Ombàn’ ny fahasoavan’Andriamanitra, tonga amin’izany …